Anosy ankehitriny

Anosy ankehitriny
Toy izao no endriky ny anjely fotsy eny Anosy ankehitriny. Ny mpanendaka sisa no loto hita eny.
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le lundi 12 novembre 2007 08:20
Modifié le dimanche 18 novembre 2007 23:41

Ny Malagasy sy ny fakana tahaka

Ny Malagasy sy ny fakana tahaka
Tsy laviko fa natao hifampiankina ny zanak'olombelona. Saingy mampalahelo fa eo amin'ny sehatra maro samihafa amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia tsy hita loatra izay vokatry ny saina Malagasy na zavatra namboarina Malagasy ampiasaina. Misy vitsy ihany eny ananonanona eny. Fa mba trandrahana sy omen-danja ho afaka mivelatra ve izy ireny ?. Voka-pikarohana maro no matoritory any ho any amin'ireny toeram-pikarohana sy toeram-pampianarana ambony ireny noho ny tsy fisiana na noho ny tsy fahampian'ny hoenti-manana. Milevina anaty vovoky ny fanadinoana ary lanin'ny koroka ny boky mitahiry azy ireny. Noho ireo voatanisa ireo dia ny vokatry ny saina vahiny no ketrehina hampandroso an'I Madagasikara. Aza gaga àry raha mihodinkodina an-toerana sy tsy tafavoaka ny tonelina eto isika mianakavy. Mihemotra aza !
Amin'ny andavanandro, eo amin'ny seha-pihariana, raha mba misy ny nivaky loha namoaka voka-pikarohana, dia misy koa ny vaky loha haka tahaka fotsiny fa tsy mba hamorona. Ary matetika izany hala tahaka izany no ampiasaina amin'ny fomba tsy ara-dalàna mba hitadiavam-bola avy eo.
Ny sehatra rehetra dia ahitana izany izany avokoa.
Enga anie "mba hiezaka hampiasa saina sy hamorona ny tsirairay, na raha voatery tsy maintsy haka tahaka ihany dia sady maka tahaka no mitondra fanatsarana ho an'ilay asa nalaina tahaka, dia handroso Gasikaran-tsika"
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le mercredi 07 novembre 2007 08:38

Look's new look

Look's new look
Ity ny hitanao mirentirenty eo ambonin'ny Look's new look rehefa mandalo an'Andravoahangy ianao. Na midina avy any amin'ny tetezana, na miakatra avy any an-tsena.
# Posté le jeudi 01 novembre 2007 01:12

Lokk's new look

Lokk's new look
Toy izao famindrako izao no tsy faintsy ho famindran'ity orinasa keliko ity. Kely io androany fa ho ngeza kosa rahampitso. Sa tsy izay no tanjona e? Mino aho, tena mino aho.
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le jeudi 01 novembre 2007 01:10

Look's new look

Look's new look
itony indray no staff miasa mangina any ambadika ho fampandehana ny raharaha rehetra
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]
# Posté le jeudi 01 novembre 2007 01:07

Liens promotionnels