Look's new look

Look's new look
Mbola ny ao anatiny ity, ka ny ilany havanana amin'ny fipetrahan'ny mpanjifa rehefa tafiditra ao ianao. Mba jereo anie ny jiro e, Afaka manamboatra bika koa nareo vehivavy fa misy fitaratra azo anaovana izany ao. Sady lehibe an!!! Afaka milahatra ao daholo ny endrik'i dadatoa, nenitoa, i Lita sy Bozy. hihihi
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 01 novembre 2007 00:49

Look's new look

Look's new look
toy izao ny efitra fikarakarana ny sakafonao alohan'ny hahatongavany eny anoloanao (ambony latabatrao mazava ho azy an!!. Hafa marina ny taloha an. Efa mba manaraka ny toetr'andro kosa e!!!! Sa tsy izany?
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 01 novembre 2007 00:46

Look's new look

Look's new look
ity ny vitrine sy ny varavaram-be fidirana raha tarafina avy any anatiny
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 01 novembre 2007 00:43

Look's new look

Look's new look
dia toy izao ny sanitaire rehefa ilay avy feno menaky ny sakafo matsiro iny ny tananao. Ao anatiny io an!!!
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 01 novembre 2007 00:42

Look's New look

Look's New look
fahiny dia endrika hafa mihitsy no nahalalanao ny Look's. Ny chauffeurs taxi sy mpiasa tsy afa-mody isan-karazany no tena mpanjifa ao aminy. Somary teritery sy tsy dia ara-dalana izay ny toerana tamin'izany fotoana. Somary nampihemotra ny tia aingitraingitra mihitsy aza moa rehefa tena tonga eo anoloany. Tsy nampiova ny fitiavan'ny maro azy anefa izany, fa mbola be ihany ny mpihinana, na mpianatra io, na mpandalo, na kely, na lehibe. Eny fa hatramin'ny vahiny aza dia misy roboka manandrana ny atao hoe Look's, noho ny fandrenesany ny lazany.. Tsy izay endrika sadasada sy somary matroka nahafantaranao azy fahiny izay anefa no hanehoako aminao ny Look's et androany fa endrika vaovao be mihitsy. Endrika nivoitra sy niseho masoandro noho ny ezaka nataon'ireo roalahy mpitantana izany toerana izany, sy noho ny fanampian'ny Commune ihany koa angamba (sic).. Mahità fahafinaretana ary eto ampijerena ary atelemo mora ny roa sao kofona eo an!!!!
[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le jeudi 01 novembre 2007 00:39

Modifié le jeudi 01 novembre 2007 01:22